Tuesday, May 5, 2026
Smart Again
  • Home
  • Trending
  • Politics
  • Law & Defense
  • Community
  • Contact Us
No Result
View All Result
Smart Again
  • Home
  • Trending
  • Politics
  • Law & Defense
  • Community
  • Contact Us
No Result
View All Result
Smart Again
No Result
View All Result
Home Trending

Manafaingana ny famonjenan’ireo tanalahy mampalaza an’i Madagasikara ireo manam-pahaizana satria efa mitatao ny afo.

December 8, 2025
in Trending
Reading Time: 9 mins read
0 0
A A
0
Manafaingana ny famonjenan’ireo tanalahy mampalaza an’i Madagasikara ireo manam-pahaizana satria efa mitatao ny afo.
Share on FacebookShare on Twitter


Tanalahy “à corne de globe” zanany iray miraikitra amin’ny sampan-kazo ao amin’ny Réserve Spéciale Ambohitantely, faritra arovana eny amin’ny Faritra Afovoantany eto Madagasikara. | Garth Cripps ho an’i Vox

AFOVOANTANY, Madagasikara— Akaiky ny lelafo. Nanazava ny lanitra amin’ny alina ilay doro-tanety noho ny setroka miloko volomboasary, ka nifindra tahaka ny lava mikoriana manaraka ireo havoana, tokony ho kilaometatra vitsivitsy monja miala teto.

A bright orange fire and smoke seen on the horizon at night

Nijery an’ilay afo avy teny amoron’nyala matevina aho, taty amin’ny faritra afovoantanin’i Madagasikara, ora vitsivitsy avaratra-andrefana miala an’Antananarivo, renivohitrin’i Madagasikara. Toerana manokana izy io. Ity dia iray amin’ireo ala sisa tavela eny amin’ny faritra afovoan’i Madagasikara — faritra rava noho ny fandripahana ala nandritra ny taona maro — ary fonenan’ny biby tsy fahita firy, anisan’izany karazana tanalahy maro.

Ity tantara ity dia ampahany iray amin’ny andiany maromaro

Ity no tantara farany amin’ny andiany telo momba ny fiarovana tontolo iainana eto Madagasikara, tohanan’ny BAND Foundation.

Ity ala ity, izay misy karazan-kazo mihoatra ny 400, dia mbola misy noho ny fiarovana azy nandritra ny am-polo taona maro. Anisan’ny valan-javaboahary antsoina hoe “Réserve Spéciale” Ambohitantely izy, izay nahavita nampihena ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna, ny fanaovana tavy ho an’ny fambolena, sy ireo antony hafa nandrava ny ala manodidina sy ny ala maro manerana an’i Madagasikara.

Araka ny hitako tamin’iny alina iny anefa, na ny fiarovana tontolo iainana tsara indrindra aza dia misy fetrany, indrindra rehefa mihamafana ny tany.

Ankehitriny, mba hiarovana ny rohivoahary tahaka izao — sy hamonjena ireo biby anisan’ny mahavariana indrindra eto an-tany — dia mila fomba fiasa mavitrika kokoa.

Raha sendra mahita biby dia any an’ala ianao eto Madagasikara, matetika tsy misy any an-kafa mihitsy eto an-tany izany biby izany. Madagasikara, izay nosy lehibe iray any atsinanan’i Afrika, dia efa voasaraka tamin’ny tany hafa nandritra ny an-tapitrisa taona, ka nanome fotoana lava ho an’ny biby eto hiova ho karazana vaovao. Izany no antony mahatonga ny hoe manodidina ny 90 isan-jaton’ny zavamaniry sy biby eto amin’ny firenena no tsy misy raha tsy eto ihany, izany hoe tsy misy any an-kafa — anisan’izany ny gidro rehetra sy sy saika ny antsasaky ny tanalahy mihoatra ny 200 karazana eran-tany. 

Ny “Réserve Spéciale” Ambohitantely dia toerana tena ahitana izany roa izany betsaka.

Lush green foliage.A red chameleon gripping onto a small branch at night

Tamin’ny alina mangatsiaka iray tamin’ny volana Septambra, amin’ny fiafaran’ny ririnina eto Madagasikara, dia nandeha an-tongotra tao anaty alan’i Ambohitantely aho niaraka tamin’i Fandresena Rakotoarimalala, mpikaroka manao doktorà ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo izay mianatra momba ny tanalahy ao amin’ilay faritra arovana. Malaza fa mahay miafina tsara ny tanalahy — ny mampiavaka azy ireo, mazava ho azy, dia ny fahaizany mifangaro amin’ny tontolo iainany. Fa rehefa tratran’ny hazavan’ny jiro izy ireo, dia miseho fotsifotsy izy ireo, ka lasa mora hita lavitra. Izany no antony nandehananay amin’ny alina.

Nandeha moramora izahay tao anaty ala, nitsilo ny ravinkazo tamin’ny jironay no sady nandroaka moka sy bibikely mitangorona eo amin’ny hazavana. Nandre fihorakorahan’ny gidro teny ambony izahay. Nisy fotoana, sendra nahita trandraka izahay — biby mandady misy tsilo tahaka ny sora kely — nivezivezy tao anaty ala.

Tahaka ny karazana biby malaza maro eto Madagasikara, dia tandindomin-doza ihany koa ny tanalahy. Manodidina ny 100 ny karazana tanalahy eto amin’ity nosy ity, ary saika ny antsasany dia tandindomin-doza ho ringana, indrindra noho ny fahaverezan’ny toeram-ponenany, araka ny voalazan’ny Union internationale pour la conservation de la nature  sy Natural Resources, izay manam-pahefana maneran-tany momba ny karazam-bidy sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana.

Izany indrindra no nahatonga ity dia an-tongotra amin’ny alina ity ho tena miavaka indrindra. 

Isaky ny metatra vitsivitsy, i Rakotoarimalala — izay efa nantsoina hoe Mpanjakavavin’ny tanalahy — dia mijanona ka manondro zavatra fotsifotsy miraikitra amin’ny ravina. Ny ankamaroany dia karazana tanalahy “Perinet” tanora, izay kely vatana ary manana hoditra maitso toy ny emeraoda. Nahita tarondro “à cornes-globes” maromaro koa izy, karazana tandindomin-doza, izay manana loha miendrika telozoro. Ny mason’izy ireo dia mety samy mijery amin’izay jereny avy.

Tao anatin’ny ora vitsivitsy monja tamin’iny alina iny, nahita tanalahy mihoatra ny 60 izahay, avy amin’ny karazany telo samihafa. Ary io habetsahana io no iray amin’ireo antony maha-zava-dehibe ny fiarovana an’i Ambohitantely, hoy Rakotoarimalala, izay mianatra momba ny fahasalaman’ny tanalahy sy ny génétique-n’izy ireo ao amin’ilay faritra arovana. Ny fahaverezan’ity faritra arovana ity dia ho ratra lehibe ho an’ity vondrona biby ity manontolo.

Ny fomba mahazatra indrindra hiarovana biby dia ny famoronana faritra arovana, toy ny valan-javaboahary sy faritra voaaro, izay matetika mametra ireo asa manimba ny tontolo iainana. Eto Madagasikara sy amin’ireo firenena mahantra maro hafa, tsy nahitana fahombiazana loatra ireo faritra arovana ireo. Matetika ny olona tsy manan-tsafidy afa-tsy ny miankina amin’ny ala mba hivelomany, na arovana ara-dalàna aza ireo hazo ireo na tsia.

Tsy mba tahak’izany Ambohitantely: Tantanin’ny fikambanana tsy miankina antsoina hoe Madagascar National Parks (MNP) ilay faritra, ka nahavita nampihena ny fanapahana hazo ao anatiny, satria lavitra ny tanàna be olona ilay ala. Kely ihany koa ilay faritra arovana, ka mora kokoa ny manaraha-maso azy.

Fa na izany aza dia tsy voa antonka tanteraka ny fiarovana ilay faritra.

Ny loza lehibe indrindra atrehin’i Ambohitantely ankehitriny dia ny doro-tanety ataon’olona. Ny mponina eny ambanivohitra manodidina dia mandoro tanety noho ny antony maro, toy ny fampaniriana ny tsiry ho an’ny omby, na koa noho ny fomba amam-panao. Ary matetika loatra dia miparitaka tsy voafehy ireo afo. Tamin’ny taona 1989 ka hatramin’ny taona 2017, dia very manodidina ny antsasany ny alan’ Ambohitantely, indrindra noho ny doro tanety. Tamin’ny taona 2022 irery, dia may ny ampahatelon’ny ala sisa tavela, araka ny filazan’i Jacquis Andonahary, botanista ao amin’ny fikambanana fiarovana ny tontolo ianainana ao an-toerana antsoina hoe Association Vahatra, izay miasa ao amin’ny faritra arovana.

A forest’s edge seen from above, with green trees abruptly becoming brown grassland.

Ny fiovan’ny toetrandro, etsy ankilany, dia vao mainka mampitombo herin’ity loza ity.

Niakatra manodidina ny 1 degre celsius ny mari-pana ambony indrindra isan’andro tao Ambohitantely nanomboka tamin’ny taona 1980. Ary ny fiakaran’ny mari-pana dia mahamaina ny zavamaniry, ka manampy ny akora afaka mirehitra amin’ny doro-tanety. “Mihalava ny fotoanan’ny main-tany, ka lasa betsaka kokoa ny zavatra afaka mirehitra,” hoy i Steve Goodman, mpikaroka ao amin’ny Field Museum of Natural History sy filoha lefitry ny Vahatra.

Tsy eto Madagasikara ihany no isehoan’ ity olana ity. Ny fiovan’ny toetrandro dia mahatonga ny zavamaniry ho mora mirehitra amin’ny faritra maro maneran-tany, na ao anatin’ny faritra arovana na tsia.

A tree nursery with a wooden fence surrounding it

Rehefa mbola mandrava ny faritra onenana sarobidy eto Ambohitantely ny doro-tanety,, dia miezaka mafy ny siantifika ao amin’ny Vahatra, ny mpiasa ao amin’ny faritra arovana, ary ny mponina eo an-toerana hanarenana izany. Tsotra ny fomba ataon’izy ireo: mamboly hazo betsaka.

Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny Vahatra dia mamerina mamelona ireo faritra an’ala nodoran’ny afo, ho fomba hitazonana ny karazan-biby sy zavamaniry ao aminy. (Rehefa mihena ny haben’ny ala dia very tsikelikely ny isan-karazan’ny biby sy ny zavamaniry ao anatiny.)

Sarotra anefa ny manome toky fa ho velona ireo hazo novolena. 

Voalohany, tsy maintsy mametraka karazan-kazo mifanaraka amin’ny toetry ny tany sy ny toerana misy azy. Nanao fikarohana i Andonahary tao anaty ala mba hahafantarana hoe inona avy ireo hazo mitombo ao sy inona ireo toe-javatra ilainy (karazan-tany, hazavana, sns). Avy eo, nanangona voa ny Vahatra sy ireo mponina, namelona azy ireo tao amin’ny toeram-pambolena zana-kazo, ary nametraka ireo zana-kazo teny amin’ny sisin’ny ala sisa tavela, nanisy zezika hanatsarana azy. “Mihoatra ny 90 isan-jato ny taham-pahaveloman’ny hazo novolena,” hoy Andonahary tamiko. Tena zava-bita lehibe izany, satria matetika tsy mahomby ny fambolen-kazo.

Rehefa voavoly ireo hazo, dia ireo mpikaroka sy ny mponina no miezaka miaro azy tsy ho may.

Ny mpitantana ny faritra arovana dia manome vola kely ho an’ny olona mipetraka ao amin’ny manodidina mba hanao fisafoana sy hitady famantarana ny fisinan’afo. Manana kitapo misy rano entina an-damosina ihany koa izy ireo izay azon’izy ireo ampiasaina hamonoana afo.

Zava-dehibe kokoa, ny Vahatra sy ny MNP dia nametraka andalana roa mitovy manodidina an’i Ambohitantely, antsoina hoe aroafo — tany malama tsy misy ahitra afaka mirehitra, izay tsy tokony hahafahan’ny afo mandalo. Vahaolana tsotra io, izay efa nampiasain’ny olona, anisan’izany ireo foko teratany any Etazonia, Kanada, ary Aostralia, nandritra ny taonjato maro hifehezana ny fiparitahan’ny afo.

Seen from above, green forests cover hills to the right and cleared grasslands are to the left.

Ilay afo hitako tamin’iny alina iny tamin’ny volana Septambra dia tsy tonga tao Ambohitantely mihitsy — noho ireo ezaka ireo. Novonoin’ireo mpamono afo miasa ao amin’ny MNP ilay afo, araka ny filazan’i Ricky Tiavina Rakotonindrina, mpiasa ao amin’ny MNP izay mitantana ilay faritra arovana.

Fa mazava ho azy, mbola hisy indray ny afo hafa. Ny fiovan’ny toetrandro no manampy amin’izany. Ka ny fanontaniana ankehitriny dia hoe: ho ampy ve ireo ezaka hiarovana ilay faritra arovana — sy ireo harena rehetra ao anatiny anisan’izany ireo harena mety mbola tsy hita?



Source link

Tags: afoaniClimateDown to EarthefafamonjenanireoireoMadagasikaramampalazaManafainganamanampahaizanamitataosatriatanalahy
Previous Post

Pennsylvania Gov. Josh Shapiro takes flack for ditching a regional carbon pact

Next Post

“Welcome to Derry” sets racist evil ablaze without incendiary insults

Related Posts

Trump angers right-wing fans with censorship campaign
Trending

Trump angers right-wing fans with censorship campaign

May 5, 2026
Climate Change Wrecks Cattle Industry, But Ag Sec Blames Biden
Trending

Climate Change Wrecks Cattle Industry, But Ag Sec Blames Biden

May 5, 2026
Falling birth rates don’t have to be a crisis
Trending

Falling birth rates don’t have to be a crisis

May 5, 2026
Every airline is Spirit Airlines now
Trending

Every airline is Spirit Airlines now

May 5, 2026
Comments And Questions About Trump And His Supporters While America Weeps.
Trending

Comments And Questions About Trump And His Supporters While America Weeps.

May 5, 2026
This Trump Supporter Got Scammed On The “Trump Phone” Just Like American Taxpayers Are Getting Scammed.
Trending

This Trump Supporter Got Scammed On The “Trump Phone” Just Like American Taxpayers Are Getting Scammed.

May 5, 2026
Next Post
“Welcome to Derry” sets racist evil ablaze without incendiary insults

"Welcome to Derry" sets racist evil ablaze without incendiary insults

Busted Trump Hangs Up On Reporter Who Asks About His Potential Mortgage Fraud

Busted Trump Hangs Up On Reporter Who Asks About His Potential Mortgage Fraud

Leave a Reply Cancel reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

  • Trending
  • Comments
  • Latest
Chinese oil tanker breaks US blockade in Strait of Hormuz

Chinese oil tanker breaks US blockade in Strait of Hormuz

April 14, 2026
Evidence of insider trading on Iran war grows

Evidence of insider trading on Iran war grows

March 26, 2026
Trump Just Wants Attention And Is Not Running For A Third Term

Trump Just Wants Attention And Is Not Running For A Third Term

October 28, 2025
“Turrible”: “Saturday Night Live” gives Bondi send-off via Charles Barkley

“Turrible”: “Saturday Night Live” gives Bondi send-off via Charles Barkley

April 5, 2026
“They’re stupid people”: Trump slams conservative MAGA critics like Carlson, Kelly

“They’re stupid people”: Trump slams conservative MAGA critics like Carlson, Kelly

April 9, 2026
Is Q-Day Coming?

Is Q-Day Coming?

April 13, 2026
“They stole an election”: Former Florida senator found guilty in “ghost candidates” scandal

“They stole an election”: Former Florida senator found guilty in “ghost candidates” scandal

0
The prime of Dame Maggie Smith is a gift

The prime of Dame Maggie Smith is a gift

0
The Hawaii senator who faced down racism and ableism—and killed Nazis

The Hawaii senator who faced down racism and ableism—and killed Nazis

0
The murder rate fell at the fastest-ever pace last year—and it’s still falling

The murder rate fell at the fastest-ever pace last year—and it’s still falling

0
Trump used the site of the first assassination attempt to spew falsehoods

Trump used the site of the first assassination attempt to spew falsehoods

0
MAGA church plans to raffle a Trump AR-15 at Second Amendment rally

MAGA church plans to raffle a Trump AR-15 at Second Amendment rally

0
“Battlestar Galactica” had Cylons — We have AI

“Battlestar Galactica” had Cylons — We have AI

May 5, 2026
ChatGPT gave me chilling advice—as I simulated planning a mass shooting

ChatGPT gave me chilling advice—as I simulated planning a mass shooting

May 5, 2026
Trump angers right-wing fans with censorship campaign

Trump angers right-wing fans with censorship campaign

May 5, 2026
Climate Change Wrecks Cattle Industry, But Ag Sec Blames Biden

Climate Change Wrecks Cattle Industry, But Ag Sec Blames Biden

May 5, 2026
Falling birth rates don’t have to be a crisis

Falling birth rates don’t have to be a crisis

May 5, 2026
In His Debut Novel, Blair Palmer Yoxall Rejects the Cowboys vs. Indians Western

In His Debut Novel, Blair Palmer Yoxall Rejects the Cowboys vs. Indians Western

May 5, 2026
Smart Again

Stay informed with Smart Again, the go-to news source for liberal perspectives and in-depth analysis on politics, social justice, and more. Join us in making news smart again.

CATEGORIES

  • Community
  • Law & Defense
  • Politics
  • Trending
  • Uncategorized
No Result
View All Result

LATEST UPDATES

  • “Battlestar Galactica” had Cylons — We have AI
  • ChatGPT gave me chilling advice—as I simulated planning a mass shooting
  • Trump angers right-wing fans with censorship campaign
  • About Us
  • Advertise with Us
  • Disclaimer
  • Privacy Policy
  • DMCA
  • Cookie Privacy Policy
  • Terms and Conditions
  • Contact Us

Copyright © 2024 Smart Again.
Smart Again is not responsible for the content of external sites.

Welcome Back!

Login to your account below

Forgotten Password?

Retrieve your password

Please enter your username or email address to reset your password.

Log In
No Result
View All Result
  • Home
  • Trending
  • Politics
  • Law & Defense
  • Community
  • Contact Us

Copyright © 2024 Smart Again.
Smart Again is not responsible for the content of external sites.

Go to mobile version